<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>6</hymn_number>
<title>Ny teninao FF6</title>
<lyrics>[V1]
 Ny teninao, Jehovah Ray mahery,
 Izay nomenao anay,
 Dia teny tsara sady mampahery
 Ka mampifaly ny fonay !

[C1]
   Ny teninao,
   Mofon'aina sakafo tokoa !
   Ny teninao,
   Ranon'aina satria foto-tsoa
   Ny teninao no teny tsy mba maty
   Maharitra mandrakizay !

[V2]
 Soraty re ho velona ao anaty
 Hitondra aina vaovao,
 Hitana ny finoana tsy ho faty,
 Ka hankatò ny didinao !</lyrics>
</song>